Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 19, 1-2. 17-18)

Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
lazao aminy hoe:

Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho Andriamanitrareo.
Aza mankahala ny namanao ao am-ponao, fa mananara ny namanao,
mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao.
Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Izaho no Tompo Andriamanitrao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13)

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.

Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany,
ny Tompo mangoraka an’izay matahotra Azy.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 3, 16-23)

Anareo ny zavatra rehetra, ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo,
ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra,
dia mba horavan’Andriamanitra kosa;
satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Aza misy mamita-tena;
fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao,
dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao,
dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra,
araka ny voasoratra hoe:

Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy;

ary koa hoe:

Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry,
ary fantany fa zava-poana izany.

Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra,
na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao,
na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny,
na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;
ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko;
ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)

Tiavo ny fahavalonareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe:

Maso efai-maso, nify efai-nify.

Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.
Efa renareo fa voalaza hoe:

Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny havanareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

♦ Nanentana ny kristianina rehetra mba hitandro ny fihavanana sy ny fiandraisana eo amintsika samy isika sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra, i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz nandritra ny fametrahana azy tamin'ny fomban'ny Fiangonana. ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Anisan'ny nanamarika ny andro natokana hivavahana ho an'ny marary, izay marihana isaky ny 11 febroary, ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Ny fanazavana ny tenin'i Jesoa hoe : “Tsy tonga handrava ny lalana, aho, fa hanatanteraka”, no fampianarana nentin'ny Papa François nandritra ny vavaka Angelus omaly...

♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny diôsezin'i Mahajanga, ny alarobia maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Nanitatra ny misôna any amin'ny diôsezin'i Fanoarivo Atsinanana, ny fikambanana Misiôneran'ny Fianakaviana Masina, eto Madagasikara... ♦ Nanentana ireo mpitsabo misehatra anatin'ny pastôralin'ny fahasalamana eo anivon'ny diôsezin'i Rôma, ny Papa François, mba hahaizan'izy ireo mihaino ny fijaliana mangina an'ireo marary tsy misy mpikarakara, anaty fahasahiranana ara-bola sy ara-môraly...

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-7)

Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao.

Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra
no namoronana izao tontolo izao,
fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra
sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina,
sy nilazana azy hoe marina,
fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony;
ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy,
dia mbola miteny ihany.
Ny finoana no namindrana an’i Enôka tsy hiharan’ny fahafatesana,
ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra,
ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza
fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa:
satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy,
sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany,
fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita;
ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao
sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 144, 2-3. 4-5. 10-11)

Misaotra ny Anaranao aho, ry ilay Mandrakizay.

Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay!
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny!

Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo,
ary ampianaro ahy ny Fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-12)

Niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany
ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray,
dia niova tarehy teo anatrehany Izy.
Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany,
ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany ety an-tany.
Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy,
sady niresaka tamin’i Jesoa.

Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty;
aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao,
ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.”

Fa tsy fantany izay nolazainy,
satria raiki-tahotra loatra izy ireo.
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy;
ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.”

Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo,
nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo,
dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany,
mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona.
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany,
sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona.
Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe:

“Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”

Dia hoy i Jesoa hoe:

“Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra;
fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona
fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy?
Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia,
sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony,
araka ny nanoratana azy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...