09 nôvambra — Miaramila romanina i Théodore ary anisan'ireo martiry fanta-daza any amin'ny Fiangonana Tatsinanana izy. Teraka tao Syrie tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo izy. Tandremana tsy hifangaro amin'ilay Masindahy Théodore tsaroana ny 07 febroary ity resahana etoana ity, satria samy miaramila, ary samy martiry izy ireo.
08 nôvambra — Teraka tao Moulincourt, diôsezin'i Soissons i Geoffroy na i Godefroy. Fanta-daza tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fitiava-namana ny fianakaviany, izay manam-boninahitra teo an-tanana ihany koa. Nanavotra fiangonana maro ny fianakaviany, ary saika hita hatrany izy ireo amin'ny fanaovana asa soa amin'ireo fadiranovana mila izany.
♦ Seminarista 76 mirahalahy no natokana ho mpamaky teny sy mpanotrona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, mpiaro ny toeram-piofanana momba ny teôlôjia ao Faliarivo Antananarivo... ♦ Notanterahana tamin'ny 3 hatramin'ny 5 nôvambra 2022, ny Filankevitry ny Talen-tsekoly Katôlika rehetra avy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Ka Talen-tsekoly miisa 56 no nandray tamin'izany... ♦ Nankalaza ny fetiny ny 6 nôvambra 2022 ny Distrika Misiônera Avaratsena, eo ambany fiarovan'i Masindahy Joany Paoly Faharoa...
07 nôvambra — Teraka tao Steisslingen, Allemagne i Ernest, ary mbola tanora izy no niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Zwiefalten tao amin'ny farihin'i Constance. Nitantana io trano fitokana-monina io izy ny taona 1141 ka hatramin'ny taona 1146.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco