♦ Tafahaona tamin'ireo mpiara-dia aminy eny Mahitsy ihany androany, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, na teo aza ny sakana samihafa. Nanamafy ny hisian'ny hetsika eny amin'ny Kianja 13 mey, ireo kandidà... ♦ Ho hentitra sy hisy fisavana rahampitso eny Analakely. Hikatona manomboka amin'ny 5 ora sy sasany maraina koa ny fidirana eny an-toerana... ♦ Nisy ireo sendikà sy ray aman-dreny ara-drazana, nanao fanambarana iombonana, mitaky ny hisian'ny fifampidinihana sy hanemorana ny fifidianana...
♦ Andrasana ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Scopelliti androany alina... ♦ Nitsidika ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa nandritra ny telo andro ny Solontenan'ny Ray masina, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Hitsidika an'i Dubaï ny Papa François ny 1 hatramin'ny 3 desambra 2023...
Hiroso amin'ny fifidianana any amin'ny fokontany, ny kaominina, ny distrika ary ny faritra ny eo anivon'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manomboka amin'ity volana nôvambra ity. Tapitra mantsy y fe-potoan-kiasan'ny birao sy ny filan-kevi-pitantanana. Hanomboka ny 20 nôvambra izao ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ka ny tantsaha manana karatra maha mpikambana no afaka mandray anjara amin'ny fifidianana ho an'ny eo anivon'ny kaominina noho miakatra...
♦ Miandrandra ny hahombiazan'ny FFKM amin'ny famahana ny olana eto amin'ny firenena, ny vovonan'ny fiarahamonim-pirenena Ifarimbona... ♦ Miantso ny Malagasy hitandro mandrakariva ny firaisam-pirenena, ny antoko MONIMA. Tandindomin-doza, hoy ity antoko ity, ny firenena noho ny fanodinana ny fifidianana ho fividianana ny safidim-bahoaka... ♦ Miisa 28 ireo mpilalao handrafitra ny Barean'i Madagasikara, handray anjara amin'ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny baolina kitra, amin'ny taona 2026, hanomboka amin'ity volana nôvambra ity...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco