♦ Hanatevin-daharana ny hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" eny Ambohijatovo anio voalohan'ny volana oktobra ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA, hetsika izay tsy nahazo alalana avy amin'ny prefektora ny fanatanterahana azy... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ihany koa manomboka anio alarobia ny mpiasam-panjakàna izay tarihin'ny valaben'ny firaisankinan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna (SSM)... ♦ Voatohitohina amin'ny fanatanterahana ny asany ireo mpanao gazety manao ny fandrakofam-baovao amin'ny hetsika "leo delestazy sy tsy fisian'ny rano", mijoro miaro ny mpanao gazety araka izany ny holafitra sy ireo fikambanan'ny mpanao gazety marolafy...

Ny Baiboly dia manambara zavatra maro, ny Baibolin'ny Jody dia mizara telo mazava tsara, isan'ireny ny mikasika ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ao anatin'ny fizarana voalohany ny "Lalàna" ahitana boky 5, ahitàna ny fiandohan'izao tontolo izao, ny fivoahana avy tany Ejipta ; lalàna mifehy ny mpisorona, ny fanisàna. Ny miresaka ny "Mpaminany" : Josoe, Mpitsara, Samoela... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

• Tafiditra tao Ambohijatovo androany tolakandro ny mpanao fihetsiketsehana. Naparitaky ny mpitandro ny filaminana anefa izy ireo avy eo... • Nozimbazimbain'ny mpitandro ny filaminana indray ny asa fanaovan-gazety androany. Fanahiniana nopotehana ny fitaovana nampiasain'ny mpanao gazety sasany teny an-kianja io takariva io... • Nisokatra ofisialy tamin'ny 7 marsa 2025 teo ny famotorana ireo tompon'andraiki-panjakana ambony, nandika ny Lalam-panorenan'ny Repoblika Fahefatra, manan-kery amin'izao fotoana izao, hoy Andriamatoa Razafimandimby José, Filohan'ny Fikambanana Fiverenana Andoharano...

♦ Efa miroso amin'ny famahana olana mikasika ny famatsiana ny herinaratra eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna ankehitriny, hoy ny filoha Andry Rajoelina alina, raha nitafa tamin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny haino aman-jerim-panjakàna... ♦ Tsy tokony averina amin'ny governemanta izay hitsangana eo ireo ministra teo aloha efa tsy nahomby, ary tsy tokony ho goaika antitra pôlitika ihany koa no handrafitra ny governemanta vaovao, fa olom-baovao mihitsy satria tsy lany olomanga isika hoy ny mpandinika pôlitika... ♦ Ahemotra amin'ny 11 novambra izao indray ny raharaham-pitsaràna an'i Rakotoarisoa Babà sy Clemence Raharinirina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...