♦ Nifarana omaly ny fahafahana manatitra ny antontan-taratasy ho an'ireo maniry hirotsaka kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 9 novambra ho avy izao. Miisa 28 ny kandidà nanatitra izany teny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy... ♦ Nanambara tamin'ny fomba ôfisialy amin'ny maha kandidà azy amin'ny fifidianana filoham-pirenena Andriamatoa Andry Rajoelina. Ny vahoaka hoy izy no masimandidy eto amin'ny firenena... ♦ Mihatra ao Antananarivo sy ny manodidina nanomboka omaly hatramin'ny rahampitso ny fepetra manokana hitandrona filaminana. Tsy azo ekena ny hetsika tsy manara-dalàna mety hitarika korontana hoy ny Préfet an'Antananarivo ny jeneraly Ravelonarivo Angelo...

Zo fototra iorenan'ny fiainam-pianakaviana ny asa, ary miantoka ny fizotry ny fanabeazana. Mifamatotra sy mifampiankina ny fiainan'ny fianakaviana sy ny asa. Mba hananan'ny olona tsirairay ny vintana mitovy sy ny haja sahaza dia ilaina mametraka pôlitika mahomby momba ny asa ; ilaina izany mba ho fanomezana vahana ny maha-fototra ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

7 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

♦ Nahetsika ary handray fepetra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, ho an'ireo izay hanatanteraka hetsika tsy nahazoana lalana. Mihatra nanomboka androany hatramin'ny zoma izao izany, hoy ny Préfet an'Antananarivo... ♦ Miisa 28 ireo nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC Ambohidahy, hatramin'ny 6 ora hariva teo, fotoana nifaranan'ny fametrahana izany... ♦ Mbola nirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena, ny Filoha amperin'asa Andry Rajoelina. Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ary tsy hanohana kandidà kosa ny antoko RCR miaraka amin'ny Laza Razafiarison...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...