Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 10-13)

Izy hanafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.

Efa reko izaho Jeremia ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe:

“Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!
Torio izy! Andeha hotorintsika izy!”

Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko,
manao andry maso ny diako:
Raha mety ho voatarika izy, dia hahombiazantsika,
ka dia hamaly faty azy isika.
Ny Tompo anefa momba ahy, toy ny lehilahy mahery;
ka hitambotsotra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy.
Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy
amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.
Ry Tompon’ny Tafika,
Ianao Izay mizaha toetra ny marina,
Izay mahita ny voa sy ny fo,
hahita ny famalianao an’ireo aho,
fa Ianao no nanankinako ny diako.
Mihirà ho an’ny Tompo, miderà ny Tompo,
fa manafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 68, 8-10. 14 sy 17. 33-35

Valio noho ny haben’ny hamoram-ponao aho, Andriamanitra ô.

Noho ianao no ilonjoako latsa
sy mahasafo-kenatra ny tavako
ka olon-kafa amin’ny zanak’ineny aho
sy vahiny amin’ireo rahalahiko.

Ny fahasaro-piaroko ny tranonao
no maharìtra ny aiko;
ny latsan’ny mpandatsa anao
no miantefa amiko.

Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra;
valio fa be fitiavana Ianao,
fa marina ny vonjinao.

Valio aho fa soa ny fitiavanao,
todiho fa be ny hatsaram-ponao.
Ny ory mahita ka faly:
Veloma ny aina, ry mpitady ny Tompo,
fa mihaino ny mahantra Andriamanitra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Hidera Azy ny tany sy ny lanitra,
ny ranomasina sy izay velona ao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 5, 1. 2-15)

Tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezana.

Ry kristianina havana,
nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao,
tamin’ny olona iray (izany hoe tamin’i Adama),
ary nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:
fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza,
saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna.
Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy,
na dia tamin’izay tsy nanao fahotana
toraka ny fandikana nataon’i Adama aza;
ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy.
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana,
fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny Olona iray,
dia i Jesoa Kristy no handraisan’ny olona rehetra
an-kabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)

Aza matahotra izay mamono ny vatana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Apôstôly hoe:

“Aza matahotra ny olona ianareo,
fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina
dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo,
torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana,
fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy
any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory,
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany,
izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny fisolokiana dia miteraka fahasahiranana sy fanimbana ary fanapotehana ny fiaraha-monina, ny tokan-trano ; mety hanimba ny sehatry ny asa ary mety hiafara amin'ny sehatry ny firenena izany olana izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Isan'ny singa fototra maha olona ny olona ny fifandraisany amin'ny zava-boahary sy amin'Andriamanitra. Eo no ahalalany ny momba ny tenany hoye manao ahoana eo anatrehan'ny vohary. Ny famonjena dia mira fahariana lanitra vaovao sy tany vaovao izany hoe hoesorina amin'ilay toetra mety lo ka homena toetra vaovao maharitra. I Jesoa dia sady mampianatra no maneho fa Andriamanitra mifehy ny zava-boahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

22 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...