Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 6, 1-10)

Aoka isika hitondra tena toy ny mpandraharahan’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
noho izahay mpiara-miasa amin’Andriamanitra,
dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana
ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo; fa hoy Izy:

“Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho,
ary tamin’ny androm-pamonjena namonjy anao Aho”;

indro, ankehitriny ny fotoana tsara;
indro, ankehitriny ny androm-pamonjena
sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay,
mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,
fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay
araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra:
dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana,
amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka,
amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana,
amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina;
ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy,
ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, tory teny marina,
ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana,
na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
na omem-boninahitra na alam-baràka,
na ratsy laza na tsara laza;
honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina;
ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;
sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona;
ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory;
ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva;
ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro;
ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Nanambara ny famonjeny ny Tompo.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)

Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 19, 2-6a)

Ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny efitr’i Sinaia ny zanak’i Israely,
dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy,
dia nantsoin’ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra, ka nilazany hoe:

“Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba
sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:
Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta
sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery
ary ny nitarihako anareo ho aty amiko.
Koa ankehitriny raha mihaino ny feoko ianareo
sy mitandrina ny fanekeko,
dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra,
satria Ahy ihany ny tany rehetra,
fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 99, 2. 3. 5.

Isika no vahoaka sy ondry fiandriny.

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava eo anoloany amin-karavoana.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao: ka Azy isika,
vahoakany sy ondry andrasany.

Eny, tsara ny Tompo;
eny, mandrakizay ny fitiavany
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 6-11)


Fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao.

Ry kristianina havana,
fony mbola tsy nanankery isika,
dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy,
mba hamonjy ny ratsy fanahy.
Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina;
ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.
Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika:
fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy;
koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao,
dia tsy maintsy afany amin’ny hatezerana mihitsy.
Satria raha fony mbola fahavalo aza isika
nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany,
mainka fa rehefa nampihavanina dia tsy maintsy voavonjy
noho ny fahavelomany tokoa.
Tsy izany ihany koa,
fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo:
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 36 — 10, 8)

Niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia onena nahita ireto vahoaka be
nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy,
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera,
dia Andre rahalahiny,
Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny,
Filipo sy Bartelemy,
Tômà sy Matio ilay poblikanina,
Jakôba zanak’i Alfe sy Tade,
Simôna ilay Kananeanina ary Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay hirahin’i Jesoa
rehefa nohafatrafarany hoe:

“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
‘Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra’.
Sitrano ny marary,
atsangano ny maty,
diovy ny boka,
roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Hatao eto Antananarivo ny Fihaonambe nasionalin'ny ankizy andiany faha-3 na JNE Mada III, manomboka ny 26 jolay hatramin'ny 30 jolay 2023. Tsy mitovy amin'ny tanora izy ireo fa ankizy 6 ka hatramin'ny 14 taona, izany hoe ankizy tsy ampy taona. Mila atao mipetrapetraka tsara ny fiomanana rehetra indrindra ny fiahiana ny fahasalaman'ny ankizy, ka izay ny anton'ny fandaharana. Fandaharana "miaina sy mitia"

Sarobidy ny voahary satria niainga avy tamin'ireo ny tao-zavatra sy ny fivoarana rehetra. Mifaningotra aina daholo ny zavatra rehetra satria ohatra raha trongisina ny tany dia simba ny fiveloman'ny olona sy ny biby ary ny zava-maniry ; raha maloto ny rano sy ny rivotra dia mijaly sy marary ny olona sy ny biby ary ny zava-maniry ; raha ringana ny biby sy ny zava-maniry tsy ampy sakafo sy fanafody ny olombelona. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...