♦ Niara-dàlana tamin'ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean de Dieu Raolison, ho Arsevekan'Antananarivo, teny Somandrakizay, ny famaranana ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy Katôlika... ♦ Tsy fotoanan'ny fikotrehana fitondrana tetezamita instony izao, fa ny fifidianana no andrandrain'ny vahoaka Malagasy, hoy ny olom-boafidy miara-dia amin'ny fitondrana... ♦ Tsy marina ny vaovao naely tamin'ny tambazotra sôsialy fa mankasitraka ny hampakarana ny saran-dàlana ao an-drenivohitra, ny Solombavam-bahoakan'ny Boriborintany fahenina, na dia avy amin'ny mpanohitra aza...
Ny asa ny vahoaka tany Ejipta dia asa tsy vokatry ny sitrapony : asa an-terivozona. Vokatry ny tahotra no nahatonga ny faraona hampanao asa an-terivozona ny vahoaka Israely. Nosakanana tsy hitombo ny vahoaka Israely. Asa an-terivozona no nampanaovina an'ny Mpanjaka. Ny asa atao andavanandro dia asa iaraha-misalahy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
31 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 31-35)
Asan'ny olona ny mikolo ny zava-boahary mba tsy hampiova ny endriky ny sahan'i Edena. Notsofin'Andriamanitra rano ny olombelona hampita ny ain'Andriamanitra. Ny olombelona tsy maintsy manompo zava-boahary : mamelona, mamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Nisy talohan'ny fahotana ny asa, manaho ny fahalavorarian'Andriamanitra fitiavana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco