♦ Hampahafantarina amin'ny talata ho avy izao, ilay sata mifehy ny fitsipi-pitondran-tena amin'izao vanim-potoana fifidianana izao... ♦ Antony iray tsy maintsy hitohizan'ny fahatapahan'ny herinaratra mifandimby, ny fitombon'ny filan'ny mpanjifa amin'izao vanim-potoana ririnina izao, hoy ny Jirama... ♦ Mirongatra ankehitriny ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka anaovan'ny fikambanana SK, antso avo...
"Tsy ampy ny mitady elanelam-panahy hampifandraisana ny fiarovana ny voahary sy ny tombontsoa ara-bola, na koa ny fitandrovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana. Mikasika izany, ny fisian’ny elanelam-panahy dia manemotra kely foana ny fotoana hingadonan’ny faharavana. Ny tsy maintsy atao fotsiny dia ny mamaritra izay atao hoe fandrosoana. Ny fivoarana ara-teknolojia sy ara-toekarena izay tsy mamela tontolo tsara kokoa sy hatsaran’ny lafim-piainana rehetra hiakatra ambony kokoa dia tsy azo heverina ho fandrosoana"(LS 194). Fandaharana "miaina sy mitia"
♦ Hotanterahana anio, eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana ny Fetim-pirenena... ♦ Andrasana anio, ny fampakarana fampanoavana an'i Nambinina Raherimampianina, izay voasambotra nandritra ny hetsika notarihan'i Doris Rakoto Samuel teny Analakely, ny alarobia teo... ♦ Mbola manamafy ny ahiahiny amin'ny mety hisian'ny krizy eto amin'ny firenena, ny antoko UNDD...
Fadio ny toe-tsaina te hampirisika ny hafa fotsiny sy ry toe-tsaina tsy te hiraharaha ; Indraidray tokoa isika manana fo te hanampy ny hafa nefa tsy te hosasatra eo amin’ny fiainana ka tratrany atao hoe fiatsarambelatsihy : faly midera sy mamporisika ny hafa nefa tsy te handray anjara fanampiana amin’ny hafa. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco