♦ Hambara amin'ny fomban'ny Fiangonana ho sanctuaire-n'ny famindram-pon'Andriamanitra ny Paroasy fahatelo any amin'ny Diôsezin'i Port Berger. Misy ny fandaharam-potoana tsara ho fantatra momba izany... ♦ Efa voarafitra ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany, ka hatolotra eo anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna amin'ny volana mey izao. Maro ireo fanovàna nentina ao anatin'izany, raha ny fanazavàn'ny Ministry ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Vola mitentina 250 tapitrisa dôlara no ho enti-manana amin'ilay fandaharan'asa haratonaina ho an'ny fiahiana ara-tsôsialy na ny FSS. Hahazo 120.000Ariary ireo tokantrano marefo misitraka ireo tetik'asa samihafa ao anatin'izany...

Masina Maria, môdelin’ny fangorahana "hatsaram-panahy ny famindram-po sy ny fangorahana" ; ny olona manetry tena ihany anefa no ho afaka mamindrà fo sy mangoraka.  Hatsaram-panahy fototra ny fanetren-tena, ary io hatsaram-panahy io no nanainga an’i Masina Maria hangoraka nyr ahahavaviny, i Mb Elisabeth. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

15 aprily 2023 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

♦ Efa ho tratra sahady amin'izao ny telo volana voalohan'ny taona 2023 izao, ny isan'ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tamin'ny taona 2019... ♦ Efa voafaritra ny volavolan-dalana mifehy ny harena an-kibon'ny tany, izay nasiam-panavaozana, ka hodinihin'ireo parlemantera amin'ny volana ambony... ♦ 250 tapitrisa Dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fitondram-panjakana, no ho enti-manana ny fandaharanasa FSS: Haraton'aina sy fiahiana ara-tsôsialy...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...