♦ Hisokatra amin'ny fomba ofisianly anio any Genève ny fihaonana an-tampon'ny OIT na ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny asa, rahampitso no handray fitenenana anatin'izany filohan'ny repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nanamafy ny teo anivon'ny CENI fa hisy ny fifidianana filoham-pirenena amin'ity taona ity. Araka ny fantatra moa dia ny 9 novambra izao ny fiodinana voalohany ary ny 2 desambra kosa ny fiodinana faharoa... ♦ 492 tapitrisa Euro no azon'i Madagasikara anatin'ny famatsiam-bola amin'ny alalan'ny tahirim-bola eraopeana ho an'ny fampandrosoana na ny FED andiany faha-11... ♦ Nahafaty olona 6 ny Oram-be nitranga tany Cuba...

Amin'ny maha-kristiana dia fantantsika tsara fa avy amin'ny fibebahan'ny fo ihany no miantoka ny ho avin'ny fandriampahalemana, satria ny antony miteraka ny ady dia avy amin'ny atifon'ny olombelona ihany. Avy ao am-po no miloatra ireo tenim-pahamarinana izay afaka manafoana ireo aloka manarona ny tontolo mikombona ka ahafahana manangana sivilizasiôna tsara kokoa.  Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

14 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Madavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

♦ Notanterahana androany teny amin'ny EKAR Antanimena, ny Sorona Masina fitsofan-drano sy fanirahana an'i Mgr Rakotojaona Jean Nicolas, voatendry ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka androany ny andiany faharoa amin'ny fikaonan-doha eo amin'ny fanjakana sy ny mpandraharaha mpisehatra ara-pambolena, na ny Forum B2B. Mampiantrano fihaonana iraisam-pirenena avo lenta momba ny lalam-piariana cacao ihany koa i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...