Ny Sabotsy Masina dia misy fankalazana miavaka, fankalazana an'i Jesoa nandresy ny fahafatesana. Misy lafiny telo ny fankalazana : Voalohany Kristy Fahazavana aseho amin'ny alalan'ny Afo Vao sy Jiron'ny Paka ; faharoa Kristy Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vakiteny Masina ; ny farany Kristy Loharanon'Aina tandindon'ny Batemy. Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Sabotsy 8 aprily 2023 — Sabotsy Masina — Fiaretan-tory ankalazana ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy — Taona A — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 1-10)
♦ Miandrandra ny hitohizan'ny fifampidinihina eo amin'ireo mpisehatra pôlitika, ny fiarahamonim-pirenena ASD... ♦ Nametraka paikady hanafainganana ny raharaham-pitsarana ady tany, ny Minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Landy Mbolatiana... ♦ Hankalaza ny faha-80 taona nijoroany amin'ity taona ity, ny Kôlejy Monseigneur Ramarosandratana, any Miarinarivo, Faritra Itasy...
Maro ny fanamby atrehan'ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny, izay miantso ny tsirairay sy ireo fiaraha-monina ifotony hanadihady sy hitondra vahaolana maharitra mamaly ireny. Ny tsirairay miaraka amin'ny mpiara-belona aminy dia afaka mamantatra tsara sy manadihady ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainany mba hihavaozany sy handraisany anjara amin'ny fanavaozany ny fiaraha-monina misy azy. Miantraika amin'ny fampandrosoana manontolo ny fikarohana rehefa ny tsirairay sy ny mpiara-belona no tia mikaroka mba hitondra vahaolana maharitra azony... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco