15 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26 — 16, 4)
Ankehitriny dia betsaka ny zavatra manahirana ny olona ka manosika azy ireny hitady sy hila famonjena. Ny fady dia mifamatotra amin'ny lafim-piainan'ny malagasy, ary mifamatotra amin'ny fiainan'ny kristiana sy ny tanora izay samy mitady sy miandrandra fiadanana sy famonjena. Ny fiangonana anefa metetika no mirona manatsatso sy manameloka ireny fomba amam-panao sy fady ireny ho fomba mahadiso na mandika ireny ho finoanoam-poana. Ny fady dia zavatra na olona tsy azo tononina anarana na tsy kasihana ary tsy azo atao.
Manana adidy ny raiamandreny sy ny mpanabe mba hampianatra ny lanjan'ny fahamarinana sy ny fahitsiana manomboka ao an-tokantrano, eny an-tsekoly ary hatreny amin'ny fiaraha-monina. Ny mpanao gazety sy ny mpiasan'ny haino aman-jery dia tokony ary tsy maintsy manaja ny soatoavina mifehy ny asany. Ny mpitondra dia tokony hampahafantatra izay vaovao marina. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
14 mey 2023 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Taona A — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 15-21)
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco