♦ Nakotroka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fanamarihana ôfisialy teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina notarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena Mialy Rajoelina... ♦ Miisa 10 ny olona maty vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Freddy tany amin'ny morontsiraka atsimo-andrefan'ny nosy araka ny tatitra navoakan'ny BNGRC omaly. Maherin'ny 70.000 isa no traboina avy amin'ny fianakaviana 16.500 isa mahery... ♦ Nodimandry vokatry ny lozam-piarakodia nahazo azy omaly ny lehiben'ny Distrikan'Ivohibe. Navarin'ny rano tao amin'ny tetezan'i Menarahana lalam-pirenena faha-27 ny fiara nitondra azy...
Tsy afa-miala amin'ny soa iombonana ny pôlitikan'ny Eglizy. Ao amin'ny Eglizy ny olona ary natao hifandray amin'ny hafa, sady tsy manavakavaka. Tsy afa-miala sy tsy maintsy mifandray amin'ny fitondrana ny Eglizy, izy no fanilo sy fahazavana eo anivon'izao tontolo izao. Tsy fironan-kevitra ny Eglizy fa finoana nolovana tao ireo fifandimbiasan'ny Apôstôly, izay misy rafitra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 9 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)
♦ Nakotrokotroka androany ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Vehivavy. Teny Mahamasina ny ivon'ny fanamarihana nasiônaly, niarahana tamin'ny vadin'ny Filoham-pirenena... ♦ Voasakana kosa ny hetsiky ny Vehivavy TIM, izay saika hanamarika ny Andro maneran-tany ho an'ny Zon'ny Vehivavy, teny amin'ny Magro Behoririka, androany... ♦ Nahazo rariny teny amin'ny Filankevi-panjakana ireo mpampianatra, momba ilay raharaha tany Alakamisy Itenina. Nolavin'ny Fitsarana ny fangatahana fampiatoana sazy ireo mpianatra tsy nanaja ny fitsipiky ny sekoly sy tsy mety mihira ny Hiram-pirenena...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco