♦ Hiroso amin'ny fanaovana fitsirihana (audits) eny anivon'ny sampandraharaham-panjakàna sy ministera ny Fitsaràna ara-bola aharitra 90 andro ny faharetan'izany... ♦ Miatrika ny fanadihadiana ataon'ilay sampandraharaha misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava atsy amin'ny nosy Maorisy Andriamatoa Mamy Ravatomanga... ♦ Hiverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo noho ny tsy fahampian'ny rano ao Andekaleka araka ny fampahafantarana avy amin'ny Orinasa JIRAM... ♦ Natokan'i Papa Léon-XIV ho an'ireo olona mitolona amin'ny heritreritra hamono tena ny fangataham-bavaka ataony ho an'ity volana novambra ity...

Miorom-paka : rehefa mahazo faka ny voa iray dia mivoatra tsikelikely ny fitomboany ary tonga ho hazo lehibe ary isika olombelona dia toa izany ; ny singa rehetra azo eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka fandrosoana ho an'ny olona iray, amin'ny lafiny ara-batana, ara-panahy. Ny fisokafana amin'ny fiaraha-monina amin'ny lafin-javatra hafa dia lalana iray hizorana amin'ny fandrosoana, afaka mandray sy afaka mizara fahalalana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Folo volana aty aoriana hiakatra fitsarana eny Anosy anio alarobia faha-5 novambra ny raharaha nahafatesan'ny Ben'ny tanàna an'i Mangataboahangy Rasazy Narindra... ♦ Andrasana anio ny fanaovan-tsonia fifanarahana (Protocol d'accord) hifanaovan'ny mpampianatra sy ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, miankina amin'izy io mantsy ny hiverenan'ny fampianarana ho an'ireo sekolim-panjakàna... ♦ Niampy telo indray ireo razana hita tamin'ilay faharendrehana an-dranomasina tany Mahajanga, tafiakatra 14 araka izany ireo razana efa hita...

• Niditra an-tsehatra namaha ny olan'ireo mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nifampitsapa hery teny Analakely androany, ireo mpomba sy mpanohitra ny fanesorana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa... • Niroso amin'ny famahana ny olan'ny angovo eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny fitondram-panjakana...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...