Niara-nientana namboly hazo tao Antanimietry, Fokontany Ambohimanatrika, Kaominina ambanivohitra Mahitsy, atao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo ny 03 febroary 2023 teo ny vovonam-pikambanana Filamatra Soa Iombonana na ny "FISOI". Vovonana misehatra amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra...

♦ Nampahafantarin'ny CENI androany, ireo vinavina amin'ny datim-pifidianana, izay ho Filoham-pirenena, hotanterahana amin'ity taona ity... ♦ Nahitana fiakarany ny tahan'ny fanondranan'i Madagasikara vokatra ivelany, ho an'ny taona 2022, noho ny fitomboan'ny fanondranana Nickel sy Cobalt... ♦ Mitaky ny hamoahana ny marina tamin'ireo raharaha fanodikodinam-bola nisy teo anivon'ny Jirana ny MCI...

Fototry ny fampandehanana ny tokantrano ny fifandraisana mirindra eo amin'ny mpivady. Mila hatsaraina isan'andro izany amin'ny alalan'ireo teny mamy, fifanampiana, fanehoam-pitiavana. Mety betsaka ireo sakana lalovana ao anatin'izany toy ny tsy fahampian'ny fotoana, ny tsy fifankazahoan-kevitra, ny fahasarotan'ny fanabeazana ny zanaka amin'zao vanim-potoana iainantsika izao. Mitaky ezaka lalandava izany rehetra izany ary hahitana vokatra mahomby rehefa misy ny fifandraisana tsara...

Manosika antsika tsy hatoritory ny Batemy noraisintsika. Ny Evanjelin'i Jesoa sy ny fampianaran'ny Eglizy dia tsy mitsahatra mampianatra antsika mba ho sahy haneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olona rehetra tsy an-kanavaka, indrindra amin'ireo olona tsy manan-tsiny sy madinika ; eo koa ny fanehoana "indra fo" fa zava-poana ihany raha fitiavana tsy misy "indra fo". Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...