♦ Tsy afaka manao famoriam-bahoaka an-kalamanjana manomboka izao ny mpanao pôlitika araka ny fepetra avy amin'ny Ministeran'ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Tsy maintsy anaty efitrano no hanaovan'ny solombavambahoaka ny tatitra ho an'ny vahoaka... ♦ Hanomboka hanome fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon'ny tany ny Ministeran'ny Harena an-kibon'ny Tany. Fanomezana fahazoan-dalana nihato nanomboka ny 20 jona 2010... ♦ Mijanona manan-kery hatrany ny fahazoan-dalana momba ny tontolo iainana ho an'ny orinasa voakasik'izany nomen'ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana. Misy ny fitohizan'ny fitantanan-draharaham-panjakàna hoy Andriamatoa Rija Rakotoson...

♦ Nifarana omaly ny fihaonambe dingana voalohany nataon'ny FFKM teto an-drenivohitra. Miantso ny fampitsaharana ny fifampihantsiana izy ireo hoy ny filohany, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Nahemotra iray andro ny famaranana vonjy maika ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Efa manomboka nefa ny fanontana printy ny lisitra mba ahafahan'ny olom-pirenena manamarina izany eny anivon'ny Fokontany aorian'ny fikatonana vonjy maika... ♦ Nanao fanambarana ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tokely Justin fa tsy azo ny mpanao pôlitika atao ny mamory olona ankamanjàna. Tsy maintsy atao anaty efitrano manomboka izao ny famoriam-bahoaka ataon'izy ireo...

Mitranga ho azy ny olana eo amin'ny fiaraha-monina vokatry ny fahatrana sy ny ady ary ny raharaha ara-politika, eo koa ny fanalalahana. Rehefa ao anaty fahantrana ny olona dia noana, tsy afaka miasa ka manaiky ny fizahozahoana sy ny fanararaotrana. Ny fiaraha-monina dia voajanahary ka mila miara-misalahy mba hitovy lenta ny be sy ny maro. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Sabotsy 1 aprily 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...