Ny 04 febroary no andro maneran-tany ho an'ny ady amin'ny homamiadana. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity dia : "Ho fandraisana an-tanana mitovy, dia hatambatsika ny hery hiadiana amin'ny homamiadana". Ny homamiadana dia aretina vokatry ny fianaky ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra. Ny faritra rehetra amin'ny vatan'olombelona dia mety ho voan'ny homamiadana daholo, fa ny mateti-pitranga dia ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza ary ny "prostate". Fambara : Fivontosana, mihareraka, fanaintainana, mandeha ra ; tsy misy afatsy ny fanaovana fitiliana anefa no hamantarana ny tena zava-misy. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Higadona eto Madagasikara rahampitso ireo mpilalao sy ny delegasiôn'ny Barea. Hisy ny fitsenana makotroka azy ireo ety Ivato mandram-pahatonga any Mahamasina, hoy ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena... ♦ Mbola tsy voafaritra na hotanterahina amin'ity taona ity na tsia ny fifidianana Ben'ny tanàna, noho izy mifanindry amin'ny fifidianana Filoham-pirenena. Milaza ny tsy mahatapaka samy irery ny CENI, raha ny fanazavàn'ny filohany omaly... ♦ Manaitra ny Fanjakàna foibe ny mponina avy amin'ny Kaominina Maromby, Distrikan'Amboasary-atsimo amin'ny afitsok'ireo Zandary anatin'ny CSAO izay mampandry tany any an-toerana, eto an-drenivohitra ny solonten'ny mponina nampahafantatra ny zava-misy...
♦ Laharana fahatelo ny Barean'i Madagasikara tamin'ny fandraisana anjara voalohany tamin'ny CHAN. Resin'ny ekipam-pirenena malagasy tamin'ny isa iray noho aotra, alina, i Niger tamin'ny lalao fiadian-daharana fahatelo amin'ny CHAN 2023... ♦ Nanome toky ny eo anivon'ny CENI omaly fa tsy maintsy hisy ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity. Mbola manana hatramin'ny faha-10 jona izao ny olom-pirenena tsy voasoratra hampiditra ny anarany anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Nandray ny asa tamin'ny fomba ôfiisialy ny Governora vaovaon'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Laharanam-pahamehana, hoy izy ny fijerena akaiky ny sandan'ny vola Ariary...
Betsaka ny adidy hapetraky ny Fiangonana amin'ny Kristiana amin'ny fitoriana ny Evanjely, ao anatin'izany ny fanatsarana ny fiainan'ny olombelona, anefa mandanjalanja tosiky ny kolontsaina. Tamin'ny 30 novambra 2019 no nihaonan'i Papa tamin'ny CPPNE, momba ny hoe Eglizy misokatra, nasongadiny ny hoe tsy ilaina mihitsy ny manaiki-dresy amin'ny fitoriana ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco