Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Manana andraikitra haneho fifampitsimbinana ny Malagasy rehetra. Ny fitoniana dia singa iray afahana mikaroka vahaolana amin-javatra maro, atao toetra fototra ny fahitsina, ialàna ny famitahana. Ny tompon'andraikitra ara-panjakàna, olom-boafidy, ireo mpandraharaha, olom-boatendry dia mila manao ho zava-dehibe ny soa iombonana fa tsy hanao asa mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tena. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ekena tsy misy tomika lalan-dava àry ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany ao amin'ny Soratra Masina, ary anefa miharihary koa ny fietrena mampitolagaga nasehon'Ilay Fahendrena mandrakizay "mba hahalalantsika ny hatsaram-po tsy hay lazaina misy ao Aminy sy ny rindram-piteny nampiasainy mba hitsinjovana sy hitandroana ny maha olombelona antsika"... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alahady 28 septambra 2025 - Alahady faha-26 mandavantaona — D : Ny soa atao levenam-bola. Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Mbola ho hita hatrany ankoatra ny elanelana mpampisatrakany mpanana sy ny mahantra eto an-tany ; anefa ny harena dia tsy ny vola ihany fa eo ihany koa ny fahaizana amam-pahalalana, ny talenta sy ny hatsaram-panahy. Ny fahantrana dia miseho amin'ny endriny maro toa ireo tsy nahazo fanabeazana, very zo, ireo tsy misokatra ara-panahy. Io elanelana io dia hitsimbadika any ankoatra any ka ireo ory teto an-tany dia ho tojo hasambarana...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco