Manana adidy hanabe sy hanomana ny zanaka mba hatratra ny tanjona kasainy, ny mpivady. Mila mihomana mialoha ny mpivady, izany hoe mandalo fifampidinihana vao tokony hiroso amin'ny fiterahana. Misy akony amin'ny fitaizana ilay zanaka ny antony hiterahana : Faniriana, na noho ny tosiky ny fiaraha-monina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Olona miisa 7 no namoy ny ainy, vokatry ny rivo-doza Cheneso, ary olona 13 isa no tsy hita popoka, raha ny tatitra navoakan'ny BNGRC, omaly tamin'ny 8 ora alina... ♦ 200 taona ny fadin-tseranana Malagasy. Homarihina miaraka amin'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fadin-tseranana izany rahampitso alakamisy 26 janoary 2023... ♦ Vita ihany ny fifidianana izay ho mpikamban'ny filan-kevim-pitantanan'ny OMDA, ho an'ny mpanakanto amin'ny mozika. Nialohavana savorovoro teo amin'ireo mpanakanto izany...

Mahasolo ny adidy atao any am-piangonana ve ny fanomezana atao?. Mety havaly azy ireto satria ny Fiangonana Fianakaviana : tsy association caritatif mpandray fanomezana fa miara-miaina, miara-mankalaza. Fiangonana Fiombonana : Misy Fiaraha-mientana ilaina ny isam-batan'olona. Fiangonana Iraka : Manana iraka atao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Alarobia 25 janoary 2023 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...