♦ Fandalovan'ny andro ratsy eto amintsika, 400 mahery ny fianakaviana traboina tsy maintsy nafindra toerana any Mahajanga. Maro ny foto-drafitr'asa nahitana fahasimbana ao amin'ny Distrikan'i Moramanga... ♦ Nanazava ny mpahay toe-karena Ravelomahazo Rivellinot fa vokatry ny ady ao Ukraine ny fitotonganan'ny Ariary mitaha amin'ny vola vahiny... ♦ Hiaka-tsehana amin'ny lalao amin'ny fiadiana ny tompo-dakan'i Afrika tsy misy mpila ravinahitra any ivelany na ny CHAN hatao any Algeria anio ny Barean'i Madagasikara. Hihaona amin'ny ekipam-pirenena Soudanai ny Malagasy anio alina... ♦ Miantso fandriam-pahalemana any Birmanie i Papa François omaly ary miantso fitoniana manoloana ny toe-draharaha politika any Perou...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 2, 3 ; 3, 12-13)

Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena.

Mitadiava ny Tompo,
ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany,
izay efa nanaraka ny lalàny;
katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena.
Ho tafaaloka angamba ianareo
amin’ny andron’ny fahatezeran’ny Tompo!
Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray
izay hatoky ny Anaran’ny Tompo.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga,
ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga.
Fa hihinana sy handry feizay izy ireo,
ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10)

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.

Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny izay ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
no Tompo mamaha ny mpifatotra,

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 26-31)

Izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo,
tsy firy no mahery,
tsy firy no avo razana;
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao,
dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidîn’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:

Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

Sambatra ny mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa,
dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy,
dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

♦ Nankalaza ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra ny teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nankalazaina nandritra izany ny fetin'ny Fianakaviana Masina mpiaro ny Seminera Zandriny eny Ambohipo, amin'ny alalan'ny Sorona Masina no nanehoana izany... ♦ Takaitra navelan'ny rivo-doza nandalo teto amintsika, miisa 03 ny olona maty araka ny vokatra vonjy maika navaoakan'ny BNGRC omaly tamin'ny 8ora alina. Olona 06 tsy hita popoka. Mahatratra 13.180 isa ireo traboina avy amin'ny Faritra miisa 08... ♦ Miray hina mitaky ny hanokafana ny orinasa Base Toliara ny ankamaroan'ny olom-boafidy ao amin'ny Distrikan'i Toliara-II. Tohanan'ny Sefo Fokontany maherin'ny 70 isa sy ny lefiny avy amin'ny Kaominina miisa 04, ao amin'ny Distrika...

 Maro tokoa ny mandeha mivavaka rehefa alahady, fa saingy mijanona ho "mpivavaka tsotra", izany hoe : mankany am-piangonana izy ireny mba hitalaho fanampiana fotsiny amin'Andriamanitra fa manadino ny fisian'ny adidy miandry azy ao mba hamelona sy hampandroso ny Eglizy. Maro ireo tsy mahazo ny dikan'ny atao hoe "adidy" tanterahana any am-piangonana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...