♦ Tsy misy filazana loza hatramin'izao, amin'ny lemak'Antananarivo, araka ny ny fampitam-baovao avy amin'ny APIPA... ♦ Nanatanteraka hetsika fanairana, ho fitakiana ny fanesorana ny Governoram-paritra ao Bongolava, ny olom-boafidy IRD sy ny antoko TGV androany... ♦ Miankina tanteraka amin'ny lalao izay hifandonan'ny Barea Madagasikara amin'ny ekipan'i Soudan amin'ny alatsinainy izao indray, no hiakarany amin'ny dingana manaraka ao anatin'ny CHAN...

Maro dia maro ny fomba amam-panaon'ny olona isan'ambaratongany hita fa tsy mampiroborobo ny fahasalamana fa vao maika mampitombo ny aretina aza. Mila maka lesona amin'ireny hitondra mankany amin'ny fahasalamana tsara kokoa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

♦ Andrasana ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo Madagascar, mahakasika ny fivoaran'ilay rivodoza Cheneso... ♦ Efa maherin'ny 2000 ireo olona tra-boina, ka 214 no voatery nafindra toerana vonjimaika, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC, vokatr'ity rivodoza ity... ♦ Tsy misy atahorana ny fandoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, hoy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola...

Ny fankamasinana ny andro alahady dia tsy miankina amin'ny safidy ho an'ny Kristiana vita Batemy satria didin'Andriamanitra. Ny atao hoe zanaka hendry dia ny fahaizany manatanteraka ny didy sy ny sitrapon'ny ray aman-dreniny. Ilaina ny mifandresy lahatra sy mifanentana mba hanaraka an'Andriamanitra sy ny sitra-pony. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...