♦ Mitsipaka marindrano ny fametrahan'ny fitondram-panjakàna ny haba manokana alaina amin'ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany ny FOM. Nivoitra nandritry ny fivoriambe nataon'izy ireo teny Alasora izany... ♦ Haverina ny fifidianana ho an'ireo birao mandrafitra ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria any Fianaratsoa noho ny didim-pitsaràna mivoaka. Famerenana ny fifidianana kasaina hatao amin'ny volana avrily izao... ♦ Tsy hanavahana ny fampiharana ny lalàna ho an'ny rehetra hoy ny ministry ny fitsarana Rakotozafy François raha naneho hevitra momba ny raharaha ny Harry Laurent Rahajason na i Rolly Mercia izy...

Ny voka-tsoa miandry ny Kristiana amin'ny fanaovana adidy dia maro : mazava ho azy fa fitia izay valim-pitia, afaka miakna malalaka, mahatsiaro misy mpiahy sy mpiara-dia izany hoe tsy mahatsiaro ho irery, ary farany izay lehibe indrindra ary fototry ny fanantenana ihany koa dia ny fananana ny lanitra ho lova. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Sabotsy 28 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

♦ Sahirana amin'ny fanatanterahana ny asa, vokatry ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny olona, ny eo anivon'ny Fitsarana Fandravana... ♦ Mitsipaka tanteraka ny fametrahan'ny fitondram-panjakana ny "Droit de sortie", na ny haba manokana alaina amin'ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany, ny FOM, federasiôna ivondronan'ireo fikambanana misehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Hiato mandritra ny telo andro, manomboka ny 3 febroary izao, ny tolotra hampiasana ny fitaovana nomerika eo anivon'ny Jirama...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...