Rehefa tsapan'ny vahoaka tsirairay ao anatin'ny firenena iray fa azy ny fireneny dia miezaka izy manao ny anjara tandrify azy hahatsara azy, hahasoa azy, na dia hamoizany ny ainy aza. Tsy manana fahamendrehana ny olona tsy misy tanindrazana, tsy misy faneva, tsy fantatra avy aiza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Hiakatra fampanoavana indray anio, ny Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de la Grande Île, Lola Rasoamaharo. Nahoron'ny vadintany avokoa omaly ny entan'ity gazety ity, teny amin'ny foibeny teny Antanimena... ♦ Mbola misy tamin'ireo olana efa niainana tamin'ny taona 2013 no miverina sy nanaovan'ny teknisian'ny OIF fanamarihana. Natao omaly ny tatitra tamin'ny fitsirihana andiany voalohany nataon'ny OIF... ♦ Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ny fanafoanana ireo fepetra nampiatoana ny fanondranana volamena...
Mila ampitaina sy hanabeazana ny olom-pirenena ny ara-moraly (éthique) sy ny fanajana ny fananana iombonana (biens communs) satria mariky ny fandrosoan'ny maha olona izany. Fitiavana sy hitsim-po no tokony ho entin'ny olom-pirenena mikolokolo ny fitiavan-tanindrazana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Zoma 31 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco