Samy manana ny toerany sy ny andraikiny ny rehetra ao anaty fianakaviana iray. Ny fiarahan-dian'ny rehetra ao anatin'izany no nitondra ny hasambarana sy hafaliana eo amin'ny fiainan-tokantrano. Na inona na inona olana sedraina dia niaina hasambarana sy fitiavana hatrany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.
♦ Tsy mpampivelona na rasazy ilay nikasa hangala-jaza tao amin'ny hôpitaly iray tany Toliara, araka ny fanambarana navoakan'ny holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara... ♦ Nanao hetsika fanairana noho ny mbola tsy nandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana ireo mpiasa nantsoina hanampy teny anivon'ny CTC-19, nandritra ny vanim-potoan'ny tena niparithanan'ny Covid-19 teto Madagasikara... ♦ Manahy amin'ny mety tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity ny antoko FIDEM tarihin'i Maurice Beranto...
Ny vodiondry, dia ilay fanambadiana araka ny fomba Malagasy. Maro ireo mihevitra fa rehefa vita ny vodiondry dia foana ny sakatsakana tsy ahafahana miray trano. Misy ireo azo adika hoe mihatsara-velatsihy satria efa mitondra vohoka ny vavy dia ezahana atao haingana ny vodiondry. Ny fahavitan'ity dingana faharoa ity dia tsy mbola midika hoe efa afaka miray trano ny mpivady. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
♦ Ahiana mafy ny mety hisian'ny rivodoza hahakasika an'i Madagasikara amin'ny herinandro ho avy io, hoy ny Météo. Mety hisy rivodoza hiforona amin'ity herinandro ity ao amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Miahiahy ny tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity ny antoko FIDEM, raha ny fahitan'izy ireo ny fanomanana amin'izao valo volana mialoaha izao... ♦ Nanao hetsika fanairana androany ireo mpiasa niasa an-tsitrapo teny amin'ny CTC-19. Miisa 732 mianadahy ireo teto Antananarivo no nampanantenain'ny Filoham-pirenena fa horaisina ho mpiasam-panjakana, rehefa vita ny asa nampanaovina...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco