♦ Ny fanokafana ireo lalana tany amin'ny kaominina tao anatin'ny Distrika miisa efatra any amin'ny Faritra Melaky no nanompanan'ny governoran'ny Faritra ezaka tao anatin'ny herintaona... ♦ Azo atao tsara ny mitrandraka ireo harena voajanahary mampiavaka an'i Madagasikara entina mampiroborobo ny tontolon'ny fizahan-tany hampandrosoana ny toe-karem-pirenena hoy ny fikambanana GERP... ♦ Marisarisa ny lafiny fandriam-pahalemana any amin'ny Distrikan'i Vohipeno indrindra any amin'ny tapany atsimo andrefana...

19 desambra — Ny papa Urbain V no papa faharoanjato, nitantana ny Fiangonana nanomboka ny taona 1362 hatramin'ny 1370. Ny 10 marsa 1870 ny papa Pie IX no nanao sonia ny didy hitsivolana hanandratana azy ho olontsambatra. Teraka tamin'ny taona 1310 tao amin'ny lapan'i Grizac izy. Guillaume de Grimoard no tena anarany.

I Piera no natsangan'i Jesoa Kristy ho filohan'ny Apôstôly ; ny Papa dimbiny no filohan'ny Eveka sy ny Kristiana rehetra. Ary tsy mety diso ny fampianarana ataony momba ny finoana sy ny fitondran-tena. Ao amin'ny fampianaran'ny Eglizy na ny fiangonana dia ambarany mazava fa i Jesoa Kristy Mpiandry ondry mandrakizay no nanorina ny Eglizy masina. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Alatsinainy 19 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 5-25

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...