♦ Mivahiny eto Madagasikara hatramin'ny alarobia ho avy izao ny Filoha Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena misahana an'i Afrika-atsinanana sy atsimo Victoria Kwakwa. Hihaona amin'ny Filohan'ny Repoblika izy amin'izao fitsidihany izao... ♦ Misy amin'ireo mpiasa tokony hisitraka ilay karama farany ambany 250.000 Ariary no mbola tsy naharay ny tambim-panampiana famenony 33.000 Ariary isam-bolana avy amin'ny Fanjakàna... ♦ Nanomboka androany atsy Maurice ny andiany faha-12 amin'ny lalaon'ny vaomieran'ny tanora sy ny fanatanjahatena ho an'ny ranomasimbe indiana na ny CJSOI izay natokana ho an'ny 14 taona hatramin'ny 17 taona. Tsy mandray ary tsy manana solontena amin'izany i Madagasikara...

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 7, 10-14

Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:

“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra”.

Ka hoy i Akaza:

“Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy ny Tompo aho”.

Ka hoy i Izaia:

“Mihainoa, ry taranak’i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo;
Indro hanana anaka ny virjiny, ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hataony hoe “Emanoela” izany hoe:
Andriamanitra eo anivontsika.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 3, 1-2. 34ab. 5-6

Aoka hiditra ny Tompo, fa Izy no mpanjakan’ny voninahitra.

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy,
izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy:
Izy nanorina azy tambony ranomasina,
nampitoetra azy tambonin’ny ony.

Iza no hiakatra am-bohitry ny Tompo?
Zovy no honina amin’ny toerany masina?
Dia izay mahitsy fo sy madio tanana,
tsy mba mianiana hahavoa namana.

Izy no tahin’ny Tompo,
vonjen’ilay Andriamanitra Marina,
taranaka mitady ny Tavany,
mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 1, 1-7

I Jesoa Kristy, avy amin’ny taranak’i Davida, no Zanak’Andriamanitra.

Izaho Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly,
sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina —
dia mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma.
Io Evanjely io
no misy ny fanambaran’Andriamanitra momba ny Zanany
(izay naterak’i Davida,
ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganany ho velona,
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana,
amin’ny Anarany, ary anisan’ireny koa ianareo;
noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy.
Ry olo-masina voaantson’Andriamanitra:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela,
izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24

I Jesoa naterak’i Maria, fofombadin’i Jôsefa, zanak’i Davida.

Toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina
sady tsy te hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy,
tamin’ny nofy ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”.

Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe: amintsika Andriamanitra”.

Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy,
ka nampakatra ny vadiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nametraka ny vatofototry ny asa fanamboarana ny "autoroute" mampitohy an'Antananarivo amin'i Toamasina ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny sabotsy lasa teo. Lanonana notanterahana tao amin'ny Kaominina Talata-Volonondry, Distrika Antananarivo-Avaradrano... ♦ Tsy mitsaha-mitombo isan-kerinandro ny olona vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 229 indray ny tranga vaovao voatily teo anelanelan'ny 26 novambra hatramin'ny 02 desambra lasa teo... ♦ Miantso dinika amin'ny vondron'ny mpampiasa amin'ity volana desambra ity ny fiaraha-midiniky ny CTM momba ny famaritana ny karama ampiharina manomboka amin'ny taona 2023 ho avy io...

05 desambra — Teraka ny 28 mey 1856 tao Lu Monferrato i Philippe Rinaldi. Teo amin'ny faha iraika amby roapolo taonany izy no tafaraka tamin'i Don Bosco. Rehefa nohamasinina ho pretra izy dia nomena andraikitra ho mpanabe ireo tanora miofana ho salezianina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...