♦ Miezaka misoroka ny tsy hisian'ny korontana eto Madagasikara ny vondrona afrikana, ka mampiantso ireo mpisehatra voakasik'izany mifanakalo hevitra amin'ny alalan'ny atrik'asa mandritra ny roa andro hifarana anio... ♦ Nambaran'ny filohan'ny fikambanana ZaViavy Miray Hina fa mila apetraka eto amintsika ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mivangongo ampelan-tanan'ny olom-bitsy ny fahefana eto Madagasikara hoy izy... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin'ny 03 septambra 2023 ny lalaon'ny nosy andiany faha-11, araka ny tapaka nandritra ny fivorian'ny Filan-kevitra iraisam-pirenen'ny lalaon'ny nosy aty amin'ny Faritry ny ranomasimbe indiana. Tanàna dimy no hanaovana izany...

Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Naneho ny heviny momba ilay fikasan'ny solombavambahoaka hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta farany teo ny vondrona afrikana. Tokony hajaina ny lalàna velona raha misy ny fifampitsabahana andraikitra eo amin'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka hoy Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf... ♦ Nanomboka omaly, hitohy anio ny fikaonandoham-pirenena karakarain'ny Hetsika Iombonana ho an'ny Fanarenana sy Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara... ♦ Hanatitra taratasy eny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny Firaisan-kinan'ny Sekoly tsy miankina amin'ny finoana, taorian'ny nandanian'ny Antenimiera ilay volavolan-dalàna momba ny fanavaozana ny rafi-panabeazana...

15 desambra — Teraka tao Colastri ao Cappadoce i Christiane, na Nina, na Ninon, na ihany koa Nune. Ny tena anarany dia tsy fantatra mazava fa ireo anarana ireo dia nomen'ny olona tao Géorgie azy, noho izy nitory ny fivavahana kristianina, avy amin'ny hoe mpianatr'i Kristy. Ny Nina dia fanafohezana ny Christiane, ny Nune kosa dia fiantsoana ireo vehivavy relijiozy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...