♦ Anatin'ny visite ad limina, fitsidihana  sy fivahinianana masina any Roma ny Evekan'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nihaona tamin'ireo Malagasy mipetraka ao Roma renivohitr'i Italie ny Eveka omaly... ♦ Mila jerena manokana ny velon-tenan'ireo mpifindra monina eto amintsika mba tsy hanimban'izy ireo ny ala hoy ny filohan'ny Fikambanan'ny mpanao gazety misehatra amin'ny tontolo iainana, Njaka Andriantefiarinesy... ♦ Efa milamindamina ny tsy fandriampahalemana ao amin'ny distrikan'i Belo amoron'i Tsiribihina Faritra Menabe tato anatin'ny tapa-bolana izao, araka ny nambaran'ny solombavambahoaka, Rabemanantsoa Jeannot...

♦ Nizotra am-pilaminana ny hetsika filaharana an-dalambe notarihan'i vadin'i Mahery Lanto Manandafy tao an-drenivohitra ny faran'ny herinandro teo. Mbola hanohy ny hetsika ny any Fianarantsoa... ♦ Tafita any amin'ny dingana manaraka afaka hiady ny amboaran'i Afrika amin'ny taona 2023 ny Maki-vehivavy. Resin'izy ireo ny ekipam-pirenena tonizianina ny faran'ny herinandro teo... ♦ Baolina kitra, resin'i Gabon tetsy Mahamasina tamin'ny isa iray noho aotra ny Barea latsaky ny 23 taona... ♦ Any Chine, voafidy ho mpitarika ny antoko kaominista ary hitondra ny tany sy ny fanjakàna fan-telony indray ny filoha sinoa Xi Jiping...

24 ôktôbra — I Antoine-Marie Claret dia teraka ny 23 desambra 1807 tao Sallent, diôsezin'i Vic ao Catalogne. Zaza fahadimy amin'ny zaza iraika ambin'ny folo izy. Mpanenona no asan'i Jean Claret, rainy ary i Joséphine no anaran-dreniny.

Ny hoe "mandanjalanja" dia avy amin'ny teny latinina, midika hoe manavaka mba hampiseho bebekokoa ny endrika maha-izy azy ny zavatra iray, na hevitra tian'olona iray hambara. Raha ny maha-kristiana dia fikatsahana ny hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra hahafahana hisafidy ny hanatanteraka an'izany eo amin'ny fiainana ny fandanjalanjana. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...