♦ Olona 36 isa no maty vokatry ny fitsaram-bahoaka tany amin'ny Faritra Vatovavy tato anatin'ny enin-taona, tany Ikongo avokoa ny 26 tamin'ireo. Mitsangana ankehitriny ny vaomiera manokana eny amin'ny antenimieram-pirenena, hanadihady ilay tranga nahafaty olona am-polony tany Ikongo farany teo... ♦ Tsy maintsy hamafisina ny fizakantenan'ireo kaominina sy Faritra eto Madagasikara, na eo amin'ny lafiny ara-bola, na amin'ny resaka fitantanana, hoy ny ministra ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana... ♦ Tsy manara-drafitra na secteur informel avokoa ny 95%-ny asa eto Madagasikara. Ezahina hitarina amin'ireo sehatr'asa ireo noho izany ny fiahiana ara-tsôsialy...
16 nôvambra — Teraka ny 06 janoary 1256 i Gertrude. Vao dimy taona monja izy, dia nalefan'ny ray aman-dreniny nobeazina tao amin'ny fikambanana bénédictine tao Helfta tao Saxe, satria izany no fomba tamin'izany fotoana. I Mechtilde de Hackeborn no nandray an-tanana ny fanabeazana sy ny fitantanana am-panahy an'i Gertrude.
Misy ireo fianakaviana no tsara halaintahaka. Ohatra ny fianakavian'i Louis Martin sy Zélie : azo lazaina ho mendrika sy lavorary amin'ny fifampitondrana mankeo amin'Andriamanitra. Izy iray ankohonana mihitsy no lasa olomasina hajain'ny Fiangonana. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Alarobia 16 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 11-28
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco