03 nôvambra — Teraka ny 9 desambra 1579 tao Lima any Pérou i Martin. Zanak'i Jean de Porrès sy i Anne Velasquez izy. I Jean moa dia miaramila tao Alcantara, i Anne kosa andevo mainty nahazo fahafahana tamin'inzany fotoana izany. Nanan-jandry ihany koa i Martin, nantsoina hoe Joanna.

Ny tsy fahalavorariantsika olombelona no tena mitondra  antsika hanao fahadisoana matetika, na manao ezaka goavana aza isika. Matetika ny fontsika no mifikitra amin'ny harena na hatsaràna na talenta izay hananantsika ka entintsika hivelarana eo amin'ny fiainana, tsy foy zaraina mba hansoa ny hafa. Ampiasaina ny feon'ny fieritreretana hampandrosoana ny hafa. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alakamisy 3 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10

♦ Ireo toromarika tsara ho fantatra momba ny fizotran'ny raharaham-pitsarana teny Anosy, nandritra ny fitokonan'ireo mpirakidraharaha. Niverina niasa androany ireo mpirakidraharaham-pitsarana manerana ny nosy... ♦ Mbola nanamafy androany, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, fa tsy maintsy hisy fandraisana andraikitra amin'ireo Solombavam-bahoaka mihoa-pefy amin'ny fitondran-tena tsy mendrika asehony amin'ny maha olom-boafidy azy... ♦ Miantso hatrany amin'ny tokony hanohizana ny fifanomezan-tanana ho fampandrosoana an'i Madagasikara, ny Filoha Nasiônalin'ny antoko MMM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...