♦ Nankalaza ny andro eran-tany ho azy ireo ny mpampianatra sy ny mpanabe teto Madagasikara. Maro ireo hetsika nanamarihana izany... ♦ Miantso ny governemanta hampiasa vola ho an'ny mpampianatra sy ny mpanabe ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fanabeazana na ny CONAMEPT. Antso nataon'izy ireo nandritra ny fankalazana ny andro natokana ho an'ny mpanabe omaly... ♦ Hanomboka anio ny fitokonana kasain'ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna eto Madagasikara. Tsy ampihemotra azy ireo ny baiko mitaky hiasa avoakan'ny ministera misahana azy ireo...
06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.
Ireto avy ny hatsaram-panahy ilaina amin'ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana mba hahafahana mifampiresaka : fahatsorana, mahitsy fo, tsara sitrapo, tia, mahazo ny hafa, mahay mihaino, mahay mangina, mahay mihaiky fa diso ary mahay mamela ny hadisoan'ny hafa. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Alakamisy 6 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco