Manana ny anjara toerany ny ray ao an-tokantrano. Ny lahikely raha vao teraka dia efa voalahatra ho raim-pianakaviana avokoa. Natao hitondra sy hiatrika ary hanapa-kevitra izy ; hany ka mahatsinjo lavitra eo amin'ny fiainana sy mahita ny ankapoben-javatra hatrany. Matanjaka sy natao hiharitra zavatra maro ny vatany ka hita fa lalao maherihery setra kokoa no tiany. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Talata 13 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Madavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 11-17

♦ Nanambara Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo fa efa tsy ao anatin'ny vovonana IRD manohana ny fitondrana, ny antoko MMM tarihiny. Handray anjara sy hanana kandida amin'ny fifidianana ho avy izy ireo... ♦ Manatevim-pahalalana amin'ireo didy aman-dalana momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy hanomboka amin'ny 1 oktobra izao, ireo tompon'andraikitry ny CENI any amin'ny faritra 23 manerana ny nosy... ♦ Manome 72 ora ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, hitady vahaolana amin'ny fitakian'izy ireo ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ity minisitera ity...

♦ Ho fanamarihana ny faha-140 taona nitoriana ny finoana tao amin'ny EKAR Ankosy, Diôsezin'Ambositra, dia notsofin-drano omaly ny tsangambato lehibe : Lakroan'ny Fanavotana... ♦ Nosokafana tamin'ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-90 taona nahatongavan'ny fikambanan'ny Misionera Montfortains teto Madagasikara. Tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina no nanatanterahana izany... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny "Centre Préventorium" izay tantanan'ireo Masera Ursulines any Analaroa, izay mandray sy mikarakara ireo zaza manana olana eo amin'ny taolana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...