12 aogositra — Teraka ny 23 janoary 1572 tao Dijon i Jeanne Françoise. Filohan’ny parlemanta tao Bourgogne ny rainy. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no maty ny reniny, ka i Bénigne Frémyot, rainy no nanabe azy.
Nampanantena ny zavatra rehetra ho fanampiny ho an'izay tsy mikatsaka afa-tsy ny fanjakàn'Andriamanitra sy ny fahamarinany i Jesoa. Manamafy orina ny finoana ny teny fampanantenana ary mahatoky ilay nampanantena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Zoma 12 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 3-12
♦ Mihatery ny fahalalahana maneho hevitra, eto Madagasikara, amin'izao akaiky fifidianana izao. Fomba fahitan'ny vovonan'ny fiarahamonim-pirenena Rohy izany... ♦ Handray andraikitra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina ny fanjakana, hitiliana ilay aretina "Variole de singe"... ♦ Lavo teo amin'ny ankatoky ny famaranana ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy tamin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona. Tamin'ny isa 98 noho 66 no nandresen'ny Ejipsiana antsika, tany amin'ny kianja mitafon'Antsirabe...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco