Talata 26 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43

♦ Nilaza ny RMDM androany, fa mbola hiverina eny an-kianja, na dia tsy tanteraka aza ilay fihaonam-be ho fanavotam-pirenena nokasainy ny sabotsy teo... ♦ Nanameloka ny fihetsika nisakanana iny hetsika iny androany ny HVM. Rariny anefa raha nosakanana izany satria tsy nahazoana alalana, hoy ny VMFM. Miantso ny andaniny sy ny ankilany mba handini-tena etsy ankilan'izany ny CFM... ♦ Nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny bakalorea teknika andiany faharoa...

♦ Nankalaza ny faha-75 taona nanandratana ho amin'ny laharan'ny olomasina an'i Masindahy Louis Marie Gignon de Montfort ny Fikambanana Montfortain, miasa any amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Nofaranana omaly ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan'ny CEPAL... ♦ Nigadona tao Edmonton, Canada, omaly alahady 24 jolay 2022 ny fiaramanadina nitondra ny Papa François...

♦ Efa navotsitra  ny sekretera jeneraly sy ny mpandrindra nasiônalin'ny antoko TIM, taorian'ny fisamborana nandritra ny hetsiky ny RMDM teny Behoririka... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalorea teknika sy teknôlôjika manomboka anio ireo mpianatra amin'ny kilasy famaranana eny anivon'ny Lisea teknika. Mpiadina 11.631 no voasoratra anarana manerana ny nosy... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-87 taonany ny sabotsy hariva teo i Remi Rahajarizafy mpanao gazety zokiolona... ♦ Mitsidika any Canada nanomboka omaly hariva ny Papa François...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...