♦ Voasambotra androany maraina teny Behoririka ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM Riana Randriamasinoro. Nosakanan'ny mpitandro filaminana tsy afaka niditra tao amin'ny Magro Behoririka ireo saika hanatrika ny fihaonambe ho fanavotam-pirenena nokarakarain'ny RMDM... ♦ Tokony hamaly ny antson'ny FFKM ny amin'ny hisian'ny fiaraha-midiniky ny ankolafin-kery samihafa ny mpitondra hoy ny antoko FIAM... ♦ Misedra olana maro ireo kaominina misitraka tombontsoa amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany hoy ny vovonana OSCIE. Tokony halefahana ny fepetra ahafahan'izy ireo mahazo ny anjara vola amin'izany...
♦ Miantso an'ireo antoko politika tsy ankanavaka hifampidinika manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny Hery Politika Mitambatra. Tsy ho vitan'ny fitondrana irery ny fanarenana ny toekarena hoy ny HPM... ♦ Hihaona eny amin'ny Magro Behoririka anio ny RMDM sy ny antoko mpanohitra miara-dia aminy. Tsy hilefitra fa hiroso amin'ny fampiharana ny lalàna ny tompon'andraikitra raha vao misy ny fihoaram-pefy hoy ny prefen'Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo... ♦ Nitokana fotodrafitr'asa maro tany Mahajanga ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Isan'izany ny biraon'ny BNGRC ao Amborovy...
23 jolay — Teraka tao Finsta tamin’ny taona 1303 i Masimbavy Brigitte akaikin’i Uppland moa no misy an’izany toerana izany. Zanaky ny governora ao amin’ny faritr’i Uppland izy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanambady an’i Ulf Gudmarson, andriana izy io, izay niterahany valo mianadahy.
Tsy maintsy misy ny vavaka ho an'ny mpitondra fanjakàna ao anaty ny litorjia satria adidy no manery ny rehetra ny manaiky sy manome haja ny mpanam-pahefana, araka izay tokony hatao aminy, araka ny famendrehany, araka ny raharaha ataony. Manana adidy hitondra am-bavaka azy ny vahoaka mba hatontosany ny adidiny. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco