♦ Tao aorian'ny fiakaran'ny vidin-tsolika androany dia andrasana ny ho vokatry ny fihaonan'ny Filoham-pirenena amin'ireo mpitatitra... ♦ Ny hanatsarana ny tontolon'ny Fitsarana eto Madagasikara ary hanafainganana ny raharaham-pitsarana no isan'ny ifantohan'ilay fikaonan-doha momba izany, atao eny amin'ny CCI Ivato... ♦ Ho tratra amin'ny volana nôvambra izao ny tahan'ny fiakaran'ny isan'ny mponina maneran-tany ho valo miliara. Mila pôlitika mazava ny fitantanana izany mba tsy ho vesatra ara-toekarena na ara-tsôsialy ho an'ny firenena tsirairay...

♦ Fivoriana sy laretirety no hanamarihana ny volan'ny pretra ho an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Nihaona nandritra ny efatra andro ny Misiona Fianakaviana Masina sy ny Misiona Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanentana ny rehetra hivavaka ho an'i Sri-Lanka, izay miaina ao anatin'ny olana ara-toekarena sy pôlitika, ny Papa François ny alahady 10 jolay 2022...

♦ Nihatra nanomboka ny maraina teo ny fiakaram-bidin'ny solika teo Madagasikara. Tsy ho zakan'ny vahoaka malagasy izao fiakaram-bidy izao, hoy ny ministry ny angovo teo aloha Betina Bruno... ♦ Mandrahona ny handoro ny vokatra lojy ireo mpamboly misehatra amin'izany manoloana ny vidiny izay tena ambany ka miteraka faty antoka. Manaitra ny fitondram-panjakàna moa ireo mpamboly... ♦ Hiaraka ho raisin'ny fakiolten'ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha-olona na ny FLSH ao amin'ny taona voalohany ireo mpianatra afaka bakalorea tamin'ny taon-dasa sy ireo ho afaka amin'ny ity taona ity...

11 jolay — Teraka tao Nursie tao Ombrie ny taona 480 i Masindahy Benoît. Vao 14 taona monja izy no nandao ny toerana nahaterahany ary niazo an’i Roma mba hanohy ny fianarany. Nandositra ny tanan-dehibe sy ny rendrarendran’izao tontolo izao izy ka avy eo nitoka-monina irery tany amin’ny lava-bato tany Subiaco nantsoina hoe Sacro Speco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...