Alakamisy 16 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15

♦ Voatsipaka teny Tsimbazaza ny tolo-dalana fanombanana ny politikam-panjakana naroson'ny Solombavam-bahoaka Johasy Eléonore. Izy irery ihany no nandany izany tao anatin'ny fivoriana itambaram-be... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay rangahy voatondro ho namono zazalahy kely teny Sabotsy Namehana. Nalefa eny Antanimora kosa ny renin'ity rangahy ity... ♦ Tetikasa roa sosona no vita sonia teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany. Iray amin'izany ny tetikasa fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio eto Madagasikara, izay mitentina 220 tapitrisa dolara...

♦ Volamena milanja 95 sy 800 grama indray no tra-tehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly, saika entina antsokosoko any ivelany... ♦ Hivaha tanteraka ny olana amin'ny "délestage" manomboka amin'ny volana jolay, hoy ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Manodidina ny dimy alina ireo vehivavy tratry ny aretina mamanilava eto Madagasikara. Izany ho vehivavy 5/1000 no tratran'izany aretina izany...

Amin'izao fotoana izao dia efa misy ireo tambavy nohatsaraina ary nitondra fahasalamana ho an'ny rehetra na ilay atao hoe "RTA". Raha isika no mamaritra ny fatran'ny tambavy hampiasaintsika fa tsy miainga amin'ny fikarohana eto aloha dia mbola manao dokotera-tena ianao izay. Mba hanamorana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana dia entanina ny renim-pianakaviana mba hanatona ny mpitsabo akaiky azy... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...