♦ Dimampolo taona androany no nisian'ny tolona 13 mey 1972. Fitakian'ny mpianatry ny Oniversite, niafara tamin'ny hetsi-bahoaka. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fanamarihana ny faha-50 taonan'ny tolona 72, androany... ♦ Nifarana androany ny fifanakalozan-kevitra andiany faharoa teo amin'ny mpandraharaha amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana. Samy vonona sy resy lahatra amin'ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, izy ireo...
♦ Nitsidika ny VDKT Tsiroanomandidy ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora, hanamafy ny fanentanana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Mada X... ♦ Tontosa ny 7 mey 2022, ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny Sekoly Katôlika Victoire Rasoamanarivo, ao Mananjary... ♦ Nanao filan-kevitra nasiônaly tsy ara-potoana ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara...
Manohy ny sehatr'asany any amin'ny distrikan'i Bealalana Faritra Sofia amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan'Antananarivo-Avaradrano. Tetik'asa tanterahana mandritra ity taona ity ary kaominina roa no hanaovana izany...
♦ Dimampolo taona tao aorian'ny hetsika 13 mey 1972, tsy mbola tratra ny tanjona tamin'ny tolona. Miantso sy mampahery ny vahoaka Malagasy mba hanorina indray, ny RDS... ♦ Olona roa mpianaka no maty, vokatry ny fihinana voaveo, any Mahazony, Farafangana. Mbola marary kosa ny renim-pianakaviana, vadin'ny maty... ♦ Tao aorian'ny fanovan-dalana teny Antanimena sy Ankorondrano, harindra indray ny fampiasana ny lalana eny Andohan'Analakely. Hihatra manomboka ny alahady 22 mey izao izany, hoy ny eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco