Sabotsy 11 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37
♦ Hisokatra amin'ny firenena Indiana, Eoropeanina tatsinanana ary i Afrika, isika Malagasy amin'ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana, hanafaingana ny fitadiavana izay tena marina ao ambadiky ny tranga fakana an-keriny izay niseho lany tato ho ato, ny Filohan'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy... ♦ Tsy mahafehy ny teny frantsay sy ny matematika ny ankamaroan'ny mpampianatra any amin'ny ambaratonga fototra, any amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana...
♦ Notanterahana ny 8 jona 2022 ny Sorona Masina fanankinana ny fanahin'i Mgr Donald Pelletier, Eveka emeritan' i Morondava... ♦ Nantsoin'ny Ray hiaka sasatra eo anilany i P. Rasolofo José, pretra diôsezanina ao Toamasina... ♦ Tontosa ny 3 sy 4 jona 2022 ny fihaonamben'ny Vovonan'ny Akizy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...
Nodinihana nandritry ny telo andro teto an-drenivohitra teny amin'ny CNEAGR Nanisana ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena mahakasika ny masomboly, ny lalàna mifehy ny famokarana masomboly, ary ny famelomana indray ny Fikambanana Malagasy ho fampiroboroboana ny masomboly na ny AMPROSEM mba hananany aingavao...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco