Ny fandroana dia andro manan-daza tamin'ny malagasy ary saika ahitana izany ny faritra samihafa. Ny fandroana dia andro natao hidiovana, hialana amin'ny loza sy ny rofy, andro hifamelana. Ny fandroana dia mifototra amin'ny rano izay midika ho "aina". Misy ny fombafomba sy ny dingana hatao mandritra ny fandroanaka : voalohany, ny fiomanana, faharoa ny ivon'ny fandroana ary ny fahatelo dia ny fitodiana. Ny "temim-pandroana" dia didy ary ny "fo tsy haritra" no didy nanalefaka io...

♦ Tsy misy ahiana ny momba ireo lisi-pifidianana any Maintirano izay very, noho ny fanafihan-dahalo. Mbola lisitra vonjimaika izy iny, hoy ny CENI... ♦ Manome 48 ora handoavany ny tambin-karamany tamin'ny fikirakirana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC tamin'ny 2021 ireo mpampianatra nisahana izany... ♦ Homarihana anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa, Eny Antaninarenina ny fanamarihana ôfisialy anio, iarahana amin'ny Ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna...

Mioty ny vokatra isika rehefa tsy kivy. Ampahatsiahivin'ny karemy antsika isan-taona fa "tahaka ny fitiavana ihany, ny tsara, ny rariny sy ny hitsiny ary ny firaisan-kina dia tsy mba azo indray maka dia vitan'izay, fa tolona ilofosana isan'andro vaky no hananana azy. (Ibid. n°11). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Talata 15 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...