♦ Anatin'ny filazana loza mitatao na ny loko mena amin'ny mety hisian'ny tondra-drano ny lemak'Antananarivo lalovan'ny reniranon'i Sisaony anatin'ny 12 ora manaraka... ♦ Nitohy androany tolakandro ny rotsak'orana teo an-drenivohitra sy ny manodidina. Tafakatra 10 ny isan'ny maty vokatry ny orambe mikija alina, 500 no traboina hoy ny BNGRC... ♦ Tsy misy afatsy ny fananganana orinasa ihany no vahaolana maharitra, hifehezana sy hiadiana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana hoy ny ministra Edgard Razafindravahy...

♦ Olona 9 no namoy ny ainy, vokatry ny fiavian'orambe teto antananarivo, alina tontolo, araka ny tatitra vonjimaika avy amin'ny Sampana mpamonjy voina ao an-drenivohitra. Dibo-drano ny faritra iva ny maraina teo... ♦ Mizarazara be ny hevitr'ireo mpanao politika momba ny fanatanterahana ny tetik'asa "téléferique". Tsy ny fisian'ny foto-drafitr'asa aorina toy ireny, no paik'ady mampandroso ny firenena hoy ny SFDM... ♦ Efa voafehy ny zava-misy momba ilay fikasàn'ireo gadra 7 nikasa ny hitsoaka ny fonjan'i Morondava. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny vaovao niparitaka, hoy ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja...

♦ Olona roa hatramin'izao no fantatra fa atidoha ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo volamena eto Madagasikara hoy ny Ministry ny fitsaràna omaly... ♦ Mbola nisy tamin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra no mbola tsy nanomboka ny fampianarana omaly...  ♦ Tsy misy fiantraikany tsara eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ny fanokafana ny sisin-tany teto Madagasikara hatramin'izao, hoy ny mpahay toe-karena Danny Rakotoson. Tsy manana paik'ady hanarenana io sehatra io hoy izy, ny fitondrana...

Ny fanekena ataon'ny relijiozy dia fitadiavana sy fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. Ny voady izay hery manampy ny relijiozy tsy ho voafatotry ny fitiavana sy ny fiahian'izao tontolo izao dia hery lehibe hahafahany manao tsara ny iraka. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...