Alakamisy 13 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

♦ Niakatra hatramin'ny 60 avo heny ny hetran-trano ao an-drenivohitra izay nofaritan'ny Kaominina Antananarivo. Mila fandinihana ny famaritana ireo tarehim-bola ho amin'izany, hoy ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy amin'ny lisitra Kombà, androany... ♦ Tsy tokony ataon'ny fintondrana resa-be hakana ny fon'ny vahoaka amin'ny fifidianana ilay raharaha famaizana tany Andekaleka, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Voavaly amin'ny ampahany ny fitakian'ireo vondron'ny sekoly tsy miankina eto Antananarivo, ho fiomanana amin'ny fiverenana an-tsekoly...

♦ Azo antoka ara-teknika tanteraka ny fitanterana an-taroby na ny teleferika, ary izy no fitanterana kely ny ambana amin'ny mety hisian'ny loza raha mitaha amin'ireo karazam-pitanterana hafa... ♦ Nisantaràna ny fizaràna masomboly avy amin'ny tetik'asa MIHONJO vatsian'ny banky iraisam-pirenena vola ho an'ny faritra Anosy ny tao amin'ny kaominina Ifotaka distrika Amboasary-Atsimo... ♦ Harentsaina lehibe ny fiandohan'ny Malagasy ka namoaka boky momba izany ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera...

Rehefa tonon-taona dia misy foana ny famaritana tanjona sy ny dingana samihafa hatrarana izany. Atao araka izany, ny tomban'ezaka tamin'izay vita nandritra ny taona 2021, ary hapetraka ny tanjona ho amin'ny taona 2022. Ilaina hatrany ny fanaovana tombana mialohan'ny hanatanterahana zavatra hafa sy vaovao. Fandaharana "Ampela Miary", tontosaina eto amin'ny RDB.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...