♦ Mbola hitohy ny rotsak'orana amin'ny Farittra samihafa hatramin'ny faran'ny herinandro izao. Namoizana ain'olona ny rotsak'orana ny talata teo ho an'ny tao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hamafisina ny fitandroana ny fandriam-pahalemana. Handray mpianatra ho pôlisy 1.450 ny ministeran'ny filaminam-bahoaka. 1.500 ny mpianatra ho zandary, horaisin'ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria... ♦ Miabo ny vokatra azon'ny fandaharan'asa Prosperer nandritra ny 14 taona, nisiany, hifarana amin'ity taona ity. Mihoatra ny 62.000 ireo mpisitraka mivantana ny fandraharan'asa...
♦ Mizaka ny tsy eran'ny ainy amin'ny olana ara-tsosialy goavana vokatry ny tsy fifehezan'ny fahefana mpanatanteraka ny andraikiny ny vahoaka malagasy hoy ny Vonndrona parlemantera TIM... ♦ Mitaky ny fandraisan'andraikitry ny fanjakana handrindra araka ny tokony ho izy ny fandraisan'izy ireo ny karamany isam-bolana ny SPATUT... ♦ Handrasana amin'ny alarobia 09 marsa ny didim-pitsarana, havoakan'ny fitsarana ambony eny Anosy, momba ny raharaha ifanolanana ao amin'ny FMF...
Fitandroana ny soa iombonana. Zavatra tsara ho an'olona no antsoina hoe "soa" eto, zavatra mampivelatra eo amin'ny fiainana. Zavatra mahavoafaoka ny maha-izy azy, manontolo, na ara-batana, na ara-panahy eny fa ny ara-tsaina ihany koa. Ny hetra haloa dia hofitsinjovana ny soa iombonana : hikarakarana ny fiainam-bahoaka. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Ry kristianina havana, tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika amin’izao fotoana izao. Ny karemy raha faritana dia mipetraka amin’ny andry telo lehibe: ny vavaka,ny fifadian-kanina, ny asa fitiava-namana. Ny karemy ihany koa dia fotoana iray hanasana antsika hiaina lalindalina kokoa ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, araka ny hafatry ny Papa François ho an’ny karemy tamin’ny taon-dasa.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco