♦ Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Vatomandry sy Farafangana rahampitso tolak'andro na ny alina ny rivodoza Emnati, hamakivaky ny afovon-tany, ary hivoaka an-dranomasina amin'ny alarobia...  ♦ Hanomboka amin'ity herinandro ity avy hatrany ny fandinihana ny fametrahana ilay mpandrindram-pirenena ny tetikasa PTASO, tetikasa hampiasana vola 25 000 000 dolara, fiaraha-miasa amin'ny BAD... ♦ Mikatona efa ho roa volana izao ny CSB-II any amin'ny kaominina Maharonjy-Ankazobe. Notafihan'ny dahalo roa volana lasa izay, ity tobim-pahasalamana ity...

♦ Miombom-po amin'ny malagasy ny Papa François, mankahery ny vahoaka, ny manam-pahefana ary ny tompon'andraikitra rehetra noho ny fahavoazana vokatry ny rivodoza... ♦ Tamin'ny 5 ora maraina teo tany amin'ny 550 avaratra-atsinanan'i Toamasina no nisy ilay rivodoza Emnati, hoy ny météo,.. ♦ Malalaka amin'ny fanapahan-kevitra raisiny ny ratsa-mangaikan'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, hampiato na tsia ny fampianarana amin'ny fandalovan'ny rivodoza Emnati hoy ny ministera...

Maro ny fomba hamohazan'ny relijiozy an'izao tontolo izao: Fitondrana hafaliana vokatry ny fitiavan'Andriamanitra antsika olombelona ; fijoroana ho vavolombelona ao anatin'ny fahasamihafana ; fahasahiana miteny sy manameloka ireo fihetsika mifanohitra amin'ny finoana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Amin'ny alalan'ny fijoroan'ireo relijiozy ho mpaminany no sehatra hanehoany ny fikatrohany. Mpaminany ny relijiozy satria natao hitondra ny Tenin'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao. Hoy Papa Fransoa "Mpitily ny olom-boatokanaeo anivon'ny fiangonana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...