Adidin'ny diosezy tsirairay ny manome ny toromarika amin'ny fomba fiasa sy mandrindra ny atrikasa rehetra any amin'ny fiangonana mba hahafahan'ny sokajin'olona rehetra mandray anjara amin'ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka: fanendrena ny mpandrindra, fampandraisana anjara ny olona rehetra,ny fanentanana ny olona hihaona hiantso ny Fanahy masina eo am-pamaliana ny fanontaniana, ny fanangonana ny valim-panontaniana, ny daty hamerenana azy. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal, Ekipa nasionaly  mpandrindra ny sinaody

♦ Entina hihazo an'Antsirabe ny alatsinainy 20 desambra izao ny Lakroan'ny JMJ Mada. Hetsika hisantarana ny fandraisan'ny diôsezin'Antsirabe ny JMJ andiany faha-10, amin'ny taona 2022... ♦ Mitohy omaly ny fitsaràna ireo voarohirohy amin'ilay raharaha Apollo 21. Jeneraly roa no anisan'ny nohenoin'ny fitsaràna, ankoatra ny mpiasa iray eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara... ♦ Misy amin'ireo sekoly ao an-drenivohitra no efa nampiato ny fampianarana amin'izao. Niteraka resa-be ihany izany fampitsaharana fampianarana izany, noho ny resaka fiparitahan'ny Covid-19...

Tsy mitovy fa arakaraka ny Fivondronamben'ny Eveka isa-pirenena ny rafitry ny dingam-piofanana maha-pretra. Amin'ny ankapobeny eto Madagasikara, aorian'ny bakalorea, miofana mandritra ny sivy taona ny tanora iray vao miroso amin'ny sakramenta fandraharahana masina ho Diakra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Talata 14 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...