♦ Azo antoka ny hahatratrarana mialohan'ny faran'ny taona ny vina napetraka amin'ny fanafainganana ny fitsarana ireo voafonja, hoy ny ny Minisitra Imbiky Herilaza... ♦ Marefo ny fampiharan'ny fitondrana malagasy ny didy fisamborana iraisam-pirenena, hoy ny mpahay lalana Alain Andriamiseza... ♦ Hotanterahana amndritra ity herinandro ity, eny amin'ny Cénacle Ambohipo, ny Komity Foibe FFKM faha-43 sy ny Zaikabe faha-9...
♦ Mbola ahiana hatrany ny hitombon'ireo olona ho tratran'ny Covid-19 eto Madagasikara. Nahatratra 45 ireo tranga vaovao, raha ny tatitra ofisialy farany... ♦ Feno ireo mpikambana 9 handrafitra ny CENI. Andrasana ny fianianana hataon'izy ireo mialoha ny hanombohany hiasa... ♦ Tsy mitsaha-miakatra hatrany ireo vidin'ny entana ilaina andavanandro. Maro ireo mpivatra manararaotra sy tsy manara-dalana hoy ny talen'ny varotra sy ny fanjifana...
Misy ireo misafidy ho pretra na relijiozy na ho tokan-tena, rehefa mandalo zava-tsarotra ny olona dia mihevi-tena ho diso lalana, hany ka lasa mangozohozo sy tsy mari-pototra ilay antso tokana niantsoana antsika dia ny fahamasinana. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alatsinainy 22 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco