♦ Mpanao gazety 27 mianadahy no nahavita ny fiofanana amin'ny fiarovan-tena eo am-panatanterahana ny asany. Nikarakara ny atrik'asa fiofanana ny UNESCO sy ny Aye-Aye Production ary ny Zandarimaria... ♦ Vita ny ampahany voalohany tamin'ny fanadihadiana momba ilay seranam-piaramanidina vaovao Ravinala Airports... ♦ Nahavitabe tamin'ny sehatr'asa fanadiovana ny tanàna ny RF2 Diotsiry ao Antananarivo. Manodina ny fako angonin'izy ireo ho lasa zezika azo ampiasaina amin'ny fambolena ihany koa...

♦ Napetraka ny fepetra amin'ireo orinasa mpanamboatra lalana. Hiantso an'ireo tsy afaka nisitraka vola tamin'ny fitondrana ny MTP, manomboka amin'ity herinandro ity... ♦ Mananosarotra ny fanaraha-maso ny fari-dranomasin'i Madagasikara sy ny ady atao amin'ny sambo mpanjono an-tsokosoko noho ny tsy fahampian'ny fitaovana... ♦ Miara-miasa amin'ny tantsaha mpamokatra amin'ny fisafidianana ny karazam-bary vaovao mety amin'zy ireo sy ny mpanjifa ny mpikaroka, tahaka ny vokatry ny tetik'asa Fy Vary...

Ny tanora dia afaka manantona ny pretra amin'ny fotoana rehetra. Ny Papa Fransoa dia nilaza matetika fa tokony hiara-dalana mandrakariva amin'ny tanora ny pretra sy ny mpanabe ara-panahy. Mampiahiahy ny ho avin'ny tanora raha tsy eo ny mpanabe ara-panahy. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Alatsinainy 8 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 1-6

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...