♦ Mijoro ankehitriny ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka. Hetsika mifanandrify amin'ny tsingerin-taona nahaterahan'ity Filoham-pirenena teo aloha ity, androany 4 novambra... ♦ Mitaraina ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara amin'ny fantiantok'ireo orinasa malagasy mpamokatra savony. Miombon-kevitra amin'ny fampakarana ho 20% ny haba alaina amin'ny fanafarana bolabolan-tsavony izy ireo, araka ny voalazan'ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021...

♦ Olona miisa valo no efa voasambotra manoloana ny vonon'olona miisa roa izay nitranga tany amin'ny distrika Mahabo... ♦ Efa nanomboka androany ny fahafahana misitraka ny vaksiny Sinopharm... ♦ Nandiso ny vaovao miely amin'ny tamba-jotra serasera momba ny fisiana "Prime exceptionnelle" hatrany amin'ny 980 tapitrisa Ariary ho an'ny mpiasa ny tompon'andraikitry ny Jirama...

♦ Manameloka ny herisetra natao tamin'ireo mpanao gazety manao ny asany ny fikambanan'ny mpano gazety misehatra amin'ny tontolo iainana sy ny fikambanan'ny mpanao gazety mpaka sary ary ny OJM... ♦ Mitaky ny hamoahana ilay volavolan-dalana momba ny fahazoana mamantatra ny raharaham-panjakàna ny vondro'ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Tombanan'ny banky iraisam-pirenena hiampy 130 tapitrisa ireo olona mahantra maneran-tany vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro hatramin'ny taona 2030...

Ankehitriny, tonga ny fotoana hanaovan'ny tanora ny "eniny" amin'ny fanorenany ny ho aviny, hoy ny Papa : "tanora toa anareo i Masina Maria tamin'izy nanao "eny" ny amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Midika fandraisana andraikitra izany, midika fahavononana hisedra zava-tsarotra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...