♦ Manentana an'ireo olona monina eny ambanin'Ampahamarinana sy ny manodidina ny BNGRC mba handao izany toerana izany. Tandindomin-doza tanteraka izany faritra izany amin'izao fiavian'ny orana izao... ♦ Miantso ny malagasy hiandry ampitoniana ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny loza nitranga an-dranomasina tany amin'ny faritra Analanjirofo ny fikambanana JIDIFFATO... ♦ Mirongatra ny Covid-19 any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanana. Mandray fepetra hisorohana ny fiparitahany ny tompon'andraikitra...
Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin'ny distrika Amboasary-Atsimo. Ny fisian'ny kolikoly no antony hoy ny filohan'ny CFM... ♦ Nahatontosa ny asany tamin'ny vonjy voina nihatra tamin'ireo tao anatin'ny angidimby nianjera an-dranomasina tany Mahambo ny BNGRC hoy ny tale jeneraliny, ny Jeneraly Elak Olivier Andriakaja... ♦ Nampahafantatra ny boky mirakitra ny momba an'ireo mpampivelona ara-dalana eta Madagasikara ny holafitry ny mpampivelona...
Araka ny fampianaran'ny fiangonana mahakasika ny fihofanana ho pretra dia samy manana andraikitra ny rehetra amin'ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra. Ny fianakaviana miserasera amin'ny fiainan'ny fiangonana no mamoha ny antso ho pretra. Ny fianankaviana entanin'ny finoana, fanantenana ary ny fitiavana no seminera voalohany hamoazana ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco